1 Thessalonians 5

1Ankehitriny mikasika ireo fotoana sy ireo vanim-potoana, ry rahalahy, tsy mila na inona na inona voasoratra ho anareo ianareo. 2Fa ianareo tenanareo mahafantatra tsara fa ny andron’ny Tompo dia ho avy tahaka ny mpangalatra amin’ny alina. 3Rehefa miteny izy ireo, “Miadana sy milamina,” dia fahapotehana tampoka no ho avy amin’izy ireo. Ho tahaka ny fahararian’ny vehivavy bevohoka rehefa miteraka izany. Tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.

4Fa ianareo, ry rahalahy, dia tsy ao anatin’ny haizina ka hahatratra anareo tampoka tahaka ny mpangalatra ny andro. 5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro. Tsy zanaky ny alina isika na ny haizina. 6Noho izany, ndeha isika tsy hatory tahaka ny fataon’ny ambiny. Fa kosa, aoka isika hiambina sy hahonon-tena. 7Fa ireo izay matory dia manao izany amin’ny alina, ary ireo izay mamo dia manao izany ihany koa amin’ny alina.

8Fa raha mbola an’ny andro isika, dia tsy maintsy mahonon-tena isika ary mitafy finoana sy fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny antoky ny famonjena amin’ny ho avy ho fiarovan-dohantsika. 9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa hahazoana ny famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 10Izy ilay maty ho antsika, na mifoha isika na matory, dia afaka miara-miaina aminy. 11Ka noho izany mifampionona ary mifampahereza ianareo, tahaka ny efa nataonareo.

12Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hanekenareo izay mikely aina aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary izay mananatra anareo. 13Mangataka anareo ihany koa izahay mba hanaja azy ireo am-pitiavana noho ny asan’izy ireo. Mihavàna amin’ny tenanareo. 14Mananatra anareo izahay, ry rahalahy: mampitandrema ny fikorontanana, hampaherezo ireo kivy, ampio ireo malemy, mahareta amin’ny rehetra.

15Indro tsy misy olona mamaly ratsy ny ratsy na amin’iza na iza. Fa kosa, mitadiava izay tsara ho an’ny tsirairay sy ho an’ny rehetra. 16Mifalia mandrakariva. 17Aza mitsahatra mivavaka. 18Misaora amin’ny zavatra rehetra. Fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.

19Aza mamono ny Fanahy. 20Aza manao tsinontsinona ireo faminaniana. 21Andramo ny zava-drehetra. Mifikira amin’izay tsara. 22Esory ireo fisehoan’ny ratsy rehetra.

23Andriamanitry ny fiadanana anie hampamasina anao tanteraka. Aoka ny fanahinareo manontolo, ny aina, ary ny vatana dia hotehirizina tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. 24Mahatoky izy ilay miantso anao, ilay iray izay hanao izany ihany koa.

25Ry rahalahy, mivavaha ihany koa ho anay. 26Arahabao amin’ny fanorohana masina ny rahalahy rehetra. 27Mangataka aminareo amin’ny Tompo aho mba ho vakiana amin’ny rahalahy rehetra ity taratasy ity. 28Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Copyright information for PltULB